" ... INDRO HAVAOZIKO NY ZAVATRA REHETRA ... "

Pasitera Ravaloson

15 Desambra 2008

6 oktobra 1996: Nitondra fotoam-pivavahana voalohany tao amin’ny fiangonana Manandriana
17 oktobra 1996: Solon-tena maro no naka an-dRavaloson tany an-tanindrazany teny Ambohidrapeto mba hitandrina ny fiangonana ao Manandriana.
3 novambra 1996: Natolotrin’ny sinodam-parin-tany amin’ny fomba ofisialy ny Mpitandrina vaovao RAVALOSON. Manana ny marim-pahaizana Maîtrise en théologie ary nivoaka tamin’ny Faculté des théologies Ambatonakanga.
Martsa 1997: nomena anarana mampiavaka azy ny Fiangoanana ka natao hoe FJKM Lovasoa Manandriana Avaradrano

RANDRIANASOLO Martin

17 Desambra 2008

Manambady an-dRamatoa RAZAFIMBOLOLONA Velomary, manan-janaka mianadahy. Inspecteur en chef des PTT. Mipetraka ao Manandriana. Zanak'Itompokolahy RANDRIAKOTONIAINA Jules mpanefy volamena sy Itompokovavy RAFIARISOA mpanefy volamena. Diakona ao amin'ny Fiangonana Malagasy Tranozozoro Antranobiriky Ambatonakanga, mpitendry orgue ao amin'ny FJKM Manandriana Lovasoa sy ao amin'ny Fiangonana FMTA Antranobiriky Ambatonakanga. Mpanolotsaina ao amin'ny Biraon'ny Zanaka am-pielezana FJKM Manandriana Lovasoa. Filohan'ny komity faha 14O sy 145 taonan'ny fiangonana Manandriana. Mpikambana ao amin'ny Fikambanan'ny Zanadralambo amin'Andrianjaka (FZA) vohitra Manandriana. Fialam-boly dia manefy volamenan'ny ankohonana, mitendry piano romantika sy malagasy, mampiara-peo amin'ny vady aman-janaka, mamaky boky tantara rehetra indrindra ny tantaran'ny finoana, milalao ping pong.

Tahionao ry Zanahary ity nosindrazanay ity

Ny tanindrazanay malala,
Ry Jeso Tompo anjakao
Hiorina eto tsy hiala,
Ny fiadanana entinao!
Ny aizin'ota anie hisava
Ny fahantrana koa andao
Fa ho tarafin'ny Mazava
Hanjary tany vaovao

Fihirana 545-2

Izy no iza ?

Pasitera Ravaloson sy ny Ankohonany. Tohiny ...

Ny filohan'ny kômity (140 et 145 ème) RANDRIANASOLO Martin Tohiny ...

Evènements