" ... INDRO HAVAOZIKO NY ZAVATRA REHETRA ... "

Tatitra momba ny VOKATRA TAOM-BAOVAO 2009

Hoy ny Tompo "Izaho no Andriamanitra Tsitoha mandehana eo anatrehako, ka aoka ho tsy misy tsiny hianao. Fa Izaho hanao ny fanekeko ho amiko sy ho aminao ary hahamaro anao indrindra Gen. 17 1b 2

Vita soamantsara ny vokatra taom-baovao teny an-tanidrazana, teny amin'ny FJKM Manandriana Lovasoa Avaradrano, ny alahady 4 Janoary, sy ny vokatra zanaka am-pielezana teny soavimbahoaka ny alahady 11 Janoary 2009. 6 millions FMG mahery teo ho eo ny vokatra voahangona tamin'izany, mbola ho tanterina eto amin'ny manaraka ny andinindininy.

Tahionao ry Zanahary ity nosindrazanay ity

Ny tanindrazanay malala,
Ry Jeso Tompo anjakao
Hiorina eto tsy hiala,
Ny fiadanana entinao!
Ny aizin'ota anie hisava
Ny fahantrana koa andao
Fa ho tarafin'ny Mazava
Hanjary tany vaovao

Fihirana 545-2

Izy no iza ?

Pasitera Ravaloson sy ny Ankohonany. Tohiny ...

Ny filohan'ny kômity (140 et 145 ème) RANDRIANASOLO Martin Tohiny ...

Evènements