Vaovao avy amin'ny sampana isan-karazany
FJKM Manandriana Lovasoa Avaradrano
Avy amin'ny Sampana Tanora Kristianina
Nahazo fanamiana vaovao ireo tanora kristianina, mpikambana ao amin'ny choral, ary efa nosalorany izany fanamiana izany rehefa misy fotoan-dehibe ao am-piangonana.
Nisy ny hetsika maro samihafa natao mba hanangonana ny hoentimanana an'izany fanamiana izany, anisan'izany ny hetsika sakafo tao amin'ny akany, tamin'iny taona 2008 iny. Maro koa ireo malala tanàna izay nanome ka dia izao hitantsika izao ny vokany: tsara dia tsara tokoa ilay fanamiana (manga tanora)
Maro dia maro tokoa ireo tanora kristianina eto an-tanàna. (sary nangonon'i Asmanazur)
Avy amin'ny Sampana Dôrkasy
Tsy ambakan'izany koa ireo vehivavy dôrkasy fa dia nahazo fanamiana vaovao koa izy ireo, efa nosalorany matetika izany fanamiana izany rehefa rizareo no mitarika ny fotoana, na misy fotoan-dehibe ao am-piangonana.
Maro koa ireo hetsika nokarakarain'izy ireo tamin'iny taona 2008 iny mba ahazoana izao vokatra mahafinaritra izao, anisan'izany ny ody ambavafo amidy eo an-tokontanim-piangonana, ny varotra mofomamy isan-karazany.
Meva tokoa izany fanamiana izany. (sary nangonon'i Asmanazur)
Avy amin'ny Sampana Sekoly Alahady
Rehefa mianatra isaky ny alahady maraina alohan'ny fotoam-pivavahana ireto sekoly alahady ireto, dia tsy maintsy tohanana ny kibo ka dia nisy ireo malala tanana nanolotra cacao mafana sy mofo dibera mba ataon'izy ireo ody ambavafo rehefa récréation.
Tamin'ny krismasy 2008 kosa, dia ny mpampianatra sekoly alahady no nikarakara ny hetsika buche de noël, izay tena nafilotra tokoa.
Ireo no hoavin'ny fiangonana. (sary nangonon'i Asmanazur)

